Mandravarava ny valala

Mahatratra 270 000hekitara no rakotra any Atsimo-Andrefana


  • Alakamisy 13 Jona 2024

Mahatratra 270 000ha ny faritra rakotra valala any Atsimo-Andrefan’i Madagasikara

raha ny tatitry ny tombana nataon’ny IFVM (Centre de Lutte Acridienne) miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tany amin’ny herinandro voalohan’ny volana mey anefa 28 000ha teo ny faritra rakotra ravalala. Misy ireo andiany hita amin’ny distrika maro toa an’i Toliara-II, Sakaraha, Ankazoabo, Morombe, Beroroha, Ihosy, Ikalamavony, Manja, Morondava, Ambatofinandrahana, ka miteraka fahavoazana lehibe tsy azo hamaivanina, raha ny fanamarihana. Manamafy ny tanjany ny toetr’andro, ka loza goavana mandindona ny fambolena sy ny zava-maniry, raha ny fanamarihan’ny Minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana. Ankoatra ireo fandraisana fepetra haingana, dia notaterina fa tsy maintsy misy ny fampiasana fiaramanidina izay tsy maintsy harindra hatramin’ny faran’ny volana jolay, hamenoana ny ezaka ety ambany. Hatreto anefa, voalaza fa zara raha 28 300ha hatramin’izao no efa vita ny hetsika avy ety ambany. Antony ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny tsy fahafahana mitsofoka amin’ny toerana sasany. 8000 ha kosa avy amin’ny fiaramanidina. Mampitombo ny ambana sy ny loza ara-tsakafo mianjady amin’i Madagasikara io, kanefa tsy tena mahavaha olana aloha izany hatreto ny Fanjakana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT