Ny taona 2020 izahay no nanomboka namokatra Black Eyes na Lojy teto Vakinankaratra, hoy ny mpandraharaha nanangana ny orinasa ara-pambolena, Aikko impex agriculture, Andry Razakamahefa.
Izahay, hoy izy, no nanomboka azy io teto ary tokana manao azy eto hatreto. Andrana no natao tao amin'ny faritr'i Mandoto tamin'izany ary hita ho nahomby. Mbola kely tamin'izany ny faritra namafazana ny masomboly fa nanomboka ny oktobra 2020 kosa no nameno izany tamina velaran-tany 20 ha teo. Martsa 2021 no niakatra ny vokatra ary ny mey 2021 no nanondrana izany voalohany. Lojy avy eto Vakinankaratra no naondrana tany Espainina ny may 2021. 200 taonina isaky ny ha teo no vokatra azo. Azo lazaina hoe tsara raha mitaha amin'ny azo any amin'ny faritra andrefana izany. Manaraka ny fenitra iraisampirenena koa ny kalitao ary nahavelom-bolo. Ny faritra andrefana sy avaratra andrefana toa an'i Mampikony sy Port Bergé moa no tena ahitana ny lojy. Isany mampiavaka ny eto Vakinankaratra ny tsy fifangaroana akora Simika ao anatin'ireo vokatra. Azo aondrana tsara any Eoropa izy noho izany satria isan'ny olana hatrany ary antony hamerenan'ireo firenena mandray ny vokatra lojy aty amintsika teo io antony io. Mieritreritra ny hanitatra azy ity any amin'ireo faritra manodidina toa an'i Menabe sy Amoron'Imania moa izahay. Mitaky toe-tany mafana tsinona izy io ka izay no antony mahatonga azy vokatra manomboka eo Mandoto, ho an'ny faritra Vakinankaratra sy ny miankandrefan'izay, hoy hatrany ny tenany.
J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.