Sosialy

Mandamin-tsaina ny Fanjakana Ahiana mbola hidangana noho io ny vidin-tsolika


  • Talata 12 Jolay 2022

Niakatra omaly 11 jolay 2022 ny vidin-tsolika eto Madagasikara taorian’ny fikitihana izany ny volana jona 2019.

Niakatra ho 4900Ar ny vidin’ny gazoala, raha toa ka 3400Ar izany teo aloha, izany hoe : mahatratra 1500Ar isaky ny litatra ny fiakarana, manome taham-pisondrotana 42,84%. Nisondrotra ho 5900Ar okosa ny lasantsy, raha 4100Ar teo aloha, izany hoe nahatratra 1800Ar isaky ny litatra ny fisondrotana, manome taham-piakarana 43,90%. Ho an’ny solika fandrehitra kosa, 2430Ar ny vidiny ankehitriny, nisy fiakarana 300Ar isaky ny litatra. «Ho an’ny fitsinjovana ny vahoaka Malagasy, fa tsy mbola araka ny vidin-tsolika tena izy araka. Io no zakan’ny kitapom-bolan’ny Fanjakana sy ny kitapom-bolan’ny mpandraharahan-tsolika », hoy ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo Andry Ramaroson. Nilaza kosa i Eugène Ratsimbazafy iray amin’ireo voalaza fa mpiaro ny zon’ny mpanjifa nivory tany an-dapa hoe : “2200Ar ny fiakarana nangatahanay ka notazoniny ho 1800Ar izany, izany hoe: tena notanterahiny fa mitsinjo ny vahoaka ny Fanjakana”. Tena fiarovana ny zon’ny mpanjifa ve no naleha tany an-dapa raha zohiana amin’izany? Tsy niandry ela fa saika niakatra nanaraka an’io avokoa ny vidiny manerana ny Nosy, izay midika fa fiakarana efa voaomana satria na ny mikitika ireny milina fivarotan-tsolika ireny aza orinasa manokana no manao azy, saingy betsaka no vetivety dia voahova, tao ny nametraka sora-tànana tamin’ny fiakarana. Nisy aza no nihoatra 40Ar izany hoe: 4940Ar sy 5940Ar toy ny tany Ambaja. Ny tany Andapa nihoatra 70Ar amboniny amin’ny vidiny vaovao,… Nisy kosa ireo toby mpaninjara solika sasany nisafidy ny tsy hisokatra tahaka ny Total sasany teto an-drenivohitra. Tao ny tobin-tsolika sasantsasany nilaharana be noho ny somary fahatarana teo amin’ny fanovana ny vidin-tsolika. Nilaza ho nanohy ny ezaka hatrany ny Fitondram-panjakana, koa araky ny fifanarahana tamin’ny vondron’ireo mpandraharahan’ny solika dia hikaroka famatsiana amin’ny tolotra moramora kokoa eo amin’ny tsena iraisam-pirenana ny Fitondram-panjakana mba ialana amin’izay mety ho fiakarana manaraka, hoy ny Fanjakana. Midika izany, fa ahiana mbola hiakatra fa tsy hijanona amin’io ny vidin-tsolika raha tsy mahita izay ambara fa mora.
MIHA MANGOTRAKA AVY HATRANY NY KRIZY
Ho an’ny teto Antananarivo Renivohitra, mbola voatazona ho 500Ar ny saran-dàlan’ny taksibe ho an’ny omaly ho an’ireo niasa, ary tao kosa no nisafidy ny tsy hiasa ny andron’io omaly io. Tapaky ny mpitatitra kosa fa hiakatra 600Ar manomboka anio. Ho an’ny zotra nasionaly sy ny any amin’ny faritra, efa nihatra avy hatrany ny fiakarana amin’ny ankapobeny. Nisy avy hatrany ny fanovana saran-dàlana, ka na famandrihana efa tamin’ny sabotsy ho any Toliara amin’ny sarany 50 000Ar aza, dia nasaina nameno 20 000Ar ny mpandeha satria niakatra ho 70 000Ar. Tao ihany koa ireo mpitatitra nigrevy toy ny Bajaj tany Antsiranana. Hanampy trotraka ny fidangan’ny vidim-piainana io, satria hiakatra ny mason-karenan’ny zava-drehetra satria ny 85% amin’ny fitaterana entana, saingy amin’ny alalan’ny fitaovana mampiasa solika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT