Sosialy

Manarintsoa Trano 50 may kilan’ny afo


  • Zoma 12 Jona 2020

Trano manodidina ny 50 teny Manarintsoa Anatihazo sy Manarintsoa Afoavoany ahitana mponina 200 eo no may hotohoton’ny afo omaly. Tokony ho tamin’ny 1ora sy sasany no nanombohan’ny loza.

 

 

Ankizikely nilalao afo tamin’ny fatam-pera no voalaza fa antony. Tsy tao ny ray aman-dreny tamin’io fotoana io. Tao amina tokantrano iray izay voalaza fa ana mpanendy kafe no voalaza fa niandohan’ny afo, hoy ny fanazavana hafa. Niitatra izany avy eo sady tsy voafehy noho ny herin'ny rivotra. Kila forehitra ny taratasy ara-panjakana samihafa. Nisy ihany ny afaka namoaka ny ampahana entana azo novonjena. Antsasakadiny taorian’ny nisehoan’ny loza no tonga ny mpamonjy voina. Tamin’ny 4ora sy sasany teo no voafehy ny afo. Saika tranohazo ny ankamaroan’izy ireo lasibatra ka nampanano sarotra ny famonoana sy ny fifehezana ny afo. Niezaka ny fokonolona teny an-toerana nanondraka ny afo tamin'ny alalan'ny rano teo amin'ny lakandranon'Andriantany nialohan’ny nahatongavan’ny mpamonjy voina . Marihina fa tsy nisy ny olona namoy ny ainy na ny naratra saingy maro tamin'ireo traboina no very fananana. Tena afobe sy setroka tsy nifankahitana, ka na avy lavitra aza dia nahatsinjo ity toe-javatra mampalahelo ity. Tonga nizaha ny zava-misy teny an-toerana ny polisim-pirenena sy ny tompon’andraikitra vitsivitsy teo anivon'ny Ministeran'ny mponina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT