Sosialy

Manarintsoa Isotry Hita ihany ilay zaza 9 taona nitsoaka


  • Alarobia 14 Aogositra 2019

Zazalahy kely vao sivy taona monja Rakotomalala Iandraina. Very tsy hita ity tovolahy kely ity afak’omaly hariva rehefa nilalao teo an-tokotany ka nirahina.

 

 

 Ao Manarintsoa Isotry izy ireo no mipetraka. Voatery nivoaka nitety ireo toerana misy mpitandro ny filaminana  ireo ray aman-dreniny rehefa tsy tafaverina nandritra ny ora maromaro izy. Sendra ireo tsara sitrapo anefa i Iandraina ka mpanamboatra fiara iray no nanatitra azy tao amin’ny polisy ampitan’ny fokontany ao Manarintsoa Isotry ihany. Ireto farany no nampandre ireo ray aman-dreniny taorian’izay.  Raha ny fantatra, somary nisy fifamaliana kely teo amin’i Iandraina sy ny reniny talohan’io tsy nahitana azy io. Efa milamina tanteraka ny raharaha ankehitriny. Efa niverina nianatra i Andraina omaly niatrika ny fanadinana fifindran-kilasy. Tsiahivina fa taona fahavalo ao amina sekoly tsy miankina iray eny Manarintsoa Isotry i Iandraina kely.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT