Manararaotra

Manararaotra avokoa ny ankamaroan’ny mpivarotra eto an-drenivohitra amin’izao


  • Alakamisy 19 Desambra 2024

ankatoky ny fankalazana ny Fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao.

Ankoatra ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro dia tsy misy izay tsy miakatra ireo entana heverina ho tsy dia be mpividy loatra. Ho an’ny rano efa voavaotra anaty tavoahangy iray litatra ohatra dia efa misy mivarotra 3.000 Ar izany eny Analakely eny raha 2.000 Ar teo aloha. Hamidin’ny mpivarotra sasany 3000 Ar ihany koa ny coca cola amin’ny tavoahangy 30 cl eny Analakely raha tokony ho 1500 Ar….Lasa nampiakatra ny ranom-boankazony ho 1.000 Ar ihany koa ny iray vera ireo mpivarotra jus naturel. Toraka izany koa ny hena. Efa misy mahatratra 6.000 Ar ny fahefany amin’ny saosisy tsotra amin’izao raha 5.000 Ar no tokony ho vidiny. 20.000 Ar mahery ihany koa ny iray kilao amin’ny hen’omby….Ahiana tsy hihinan-kanina intsony Ramalagasy raha mitohy izao.Dia tena mahagaga fa tahaka izao foana isan-taona lasa tahaka ny hoe kolontsaina ilay fanararaotana. Tsy misy mihetsika rahateo ireo mpanara-maso, ny fanjakana mitazam-potsiny dia samy manao izay danin’ny kibony e !
PATI 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT