Sosialy

Manankarena sy mahantra Be loatra ny elanelana eto Madagasikara


  • Talata 10 Aprily 2018

Ukraine no firenena manana elanelana ambany indrindra ny amin’ny mahantra sy ny manankarena eto ambonin’ny tany. Tarafina amin’ny vola miditra amin’ny tsirairay izany izay hita ho mitovitovy daholo.

 

 Raha mijery manokana an’i Madagasikara dia hita taratra be ny elanelana misy amin’ny mahantra sy ny manankarena. Matetika aloha dia ireo mpanao politika mijanona eo amin’ny fitondrana no tena mpanefoefo eto. Misy aza moa fantatra mazava fa tsy manana zavatra firy mialoha ny fitantanana kanefa afaka enim-bolana na herintaona dia efa manontany ny ory sahady. Malaina izy ireo hanao fanambaram-pananana satria mitombo vetivety ny eo an-tanana ka sao hanahirana. Etsy an-daniny, ny mahantra izay maro an’isa eto amin’ny firenena dia ireo ilay miaina amin’ny latsaky ny 6000 Ar isan’andro. Ireo ilay mitrongy vao homana ary miaina anaty fahantrana mangitsokitsoka. Tsizarizary ny sakafo, ny fianarana ary ny fahasalamana. Misy ihany ny eo antenantenany saingy voasarika nilatsaka ambany noho ny fisondrotry ny vidim-piainana sy ny fahefa-mividy milatsaka hatrany. Tevana be ny manelanelana ny mahantra sy ny manana eto noho ny fitiavan-tena mihoapampana. Ireo mahantra maro an’isa koa moa mangina tsy mitroatra, hany ka manao ny ataony hatrany ireo mpangoron-karena.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT