Sosialy

Mananjary Ambohijanaka Mpianadahy maty an-drano tanaty lava-biriky


  • Alatsinainy 22 Febroary 2021

Mpianadahy, zanak’olona mpianadahy iraitampo handeha hianatra hira tany am-piangonana ny sabotsy

 

 

 no tapa-kevitra ny hilomano tampoka ka maty an-trano tsy fidiny. Ankisy nahita ny fahavoazan’izy dahy no nampandre ny fianakaviana vao nikoropaka ireto farany saingy efa tsy nisy fofon’aina intsony. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia sendra tany lavaka avy hanamboarana biriky izy mianadahy ireto no nilalao rano, izay marihina fa tena lalina tokoa. Nambaran’ny teo anivon’ny kaominina Ambohijanaka moa fa tena zava-doza ny tahaka izao ka tokony samy handray ny andraikiny hanototra ny lavaka ireo mpanao biriky eny amin’iny faritra iny rehefa vita izay hataony. Efa fanindroany moa no nisy zaza maty an-drano tahaka izao tao amin'ity fokontany Mananjary Ambohijanaka ity. Nisy ny fanentanana natao tamin’ireo Ray aman-dReny mba hanara-maso ny zanany.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT