Zava-doza no nitranga tany Manandriana Avaradrano ny sabotsy 09 janoary lasa teo.
Ankizy 4 izay iray tampoha ny 3 no indray nilatsaham-potaka. Tao amin’ny Fokontany Ambohitsoa no nitrangan’izany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia fianakaviana nanao fety ireto tra-doza ireto. Avy ny orana tamin’ny fotoana nanaovana ny fety ka taorian’ny lanonana natao teny an-tokontany dia notohizana tany an-trano izany. Nandritra izany indrindra anefa no nilatsahan’ilay varatra tao ambany rihina ka izy 4 mianadahy ireo no lasibatra. Tovovavy efa 18 taona ny iray antsoina hoe : Malalatiana. 13 taona kosa ny iray raha 10 taona ny iray, izy 3 mianadahy ireto izay namoy ny ainy avokoa.Efa nalefa haingana tany amin'ny hôpitaly kosa ny iray ary efa tsy misy ahiana intsony ny ny fahasalamany, raha araka ny fantatra. Tsiahivina moa fa saika mamono olona hatrany ny varatra eto amintsika rehefa fotoanan’ny orana tahaka izao, indrindra fa any ambanivohitra .
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.