Sosialy

Manandriana -Amoron’i Mania Lany tanteraka ny omby, sahirana ny mponina


  • Alatsinainy 01 Aprily 2019

Misedra olana goavana ireo mponina any Manandriana, Faritra Amoron’i Mania, toerana niavian’Itompokolahy Manandafy Rakotoniriana amin’izao.

 

 

 

 Raha ny fanazavan-dRajaonarivelo Dieudonné, filohan’ny FIkambanana TErak’i MAnandriagna (FITEMA) dia lany tanteraka ny omby any an-toerana vokatry ny firongatry ny asan-dahalo. Lasa miasa tany amin’ny tanana ny mponina rehefa eny an-tsaha. Tsy manana zezika hambolena intsony ihany koa, ny lalana koa efa ratsy rahateo. Anisan’ny lasibatra ity filohan’ny filohan’ny FITEMA ity raha ny fanazavany. Omby 60 isa no indray noraofin’ny dahalo tao am-bala indray mandeha monja. Na izany aza dia tsy misy intsony ireo dahalo manafika amin’ny antoandro fa amin’ny alina sisa. Miezaka ny fikambanana tarihiny mametraka ireo DAS hivondronana miaramila miambina manerana ireo kaominina 10 mandrafitra ny distrika, izay efa 12 ankehitriny. Tsiahivina fa anisan’ny asa goavana notanterahin’ny fikambanana nandritra ny fisian’ny aretina pesta farany teo ny fanafarana dokotera avy any Frantsa nitsabo maimaimpoana ka olona an’arivony no nahazo tombontsoa. Nifampiarahaba nahatratra ny taona ireo mpikambana miisa 50.000 ny faran’ny herinandro teo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT