Sosialy

Mananara Avaratra Vehivavy bevohoka teraka teny ambony sambo


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Vehivavy bevohoka iray nitaingina sambo niainga tao Mananara Avaratra hihazo an’i Soanierana Ivongo no teraka teny ambonin’ity

 

 

 

fitaovam-pitaterana irayity ny sabotsy maraina teo tokony ho tamin’ny 07 ora. Tao anatin’ilay onjan-dranomasina nahery vaika indrindra no nitrangan’izany, raha ny vaovao azo, fotoana tsy tokony mbola hahaterahan’ilay vehivavy akory. Ireo vehivavy tao anatin’ilay  sambo no niara-nientana nampiteraka ity renim-pianakaviana ity. Marihina  moa fa Melissa no anaran’ity sambo ity. Nampitondrain’ilay reniny anarana : Nomenjanahary Melissano ilay tsy manan-tsiny,  izay marihina fa zazalahy kely.  Samy salama tsara  izy mianaka ary nentina namonjy tobim-pahasalamana avy hatrany raha vantany vao tonga tao Soanierana Ivongo.

 

Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT