Sosialy

Manampatrana Ikongo 1000 Ar ny kapoakam-bary, reraky ny hanohanana ny vahoaka


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Mijaly ireo zaza amam-behivavy ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Manampatrana, distrikan’Ikongo.

Hatramin’ny nandalovan’ny rivodoza farany teo tany amin’ity distrika iray ity mantsy dia tafakatra 1.000 Ar ny kapoakam-bary any an-toerana. Noho ny fahapotehan’ireo karazam-bokatra rehetra misy any amin’ity distrika iray ity no mahatonga izany toy ny vary, mangahazo….Vokany, tsy mahatakatra izany ny ankamaroan’ny isan-tokantrano hany ka reraky ny hanohanana ankamaroany ary efa nisy namoy ny ainy mihitsy. Zara raha mahita izay harapaka ny isam-batan’olona isan’andro. Noho io trangan-javatra misy io indrindra no nanosika ny FID hanampy ireo mponina any an-toerana. Lalana mirefy 12 km ao Kamoina Ambohimisafy sy Tolongoina no hasiam-panamboarana amin’ny alalan’ny asa tana-maro. Olona miisa 600 isan’andro no hampanaovina izany mandritra ny 20 andro, karamaina 6.000 Ar isan’olona isan’andro. Vehivavy ny an-tsasa-manilan’izy ireo. Ny mba hanomezana asa ny mponina no tanjona, indrindra fa ireo Raim-pianakaviana sy Renim-pianakaviana. Ankoatra io lalana io dia lalamby mirefy 16 km eo anelanelan’i Onilahy sy Manampatra ihany koa no hasiam-panarenana hisorohana ny mety ho fihotsahan’ny tany sy ho fandraisana anjara amin’ny fanarenana FCE. Nambaran’ny Ben’ny tanàna ao Manampatrana fa rehefa mandeha ny lamasinina dia afaka hamidy any Fianarantsoa ihany koa ireo karazam-bokatra misy any amin’ny distrikan’Ikongo ka sady afa-pahasahiranana ny vahoaka no hidiram-bola ihany koa ny kaominina.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT