Sosialy

Manampahefana mitango vola tsy ara-drariny Leo ny olona ao Tanambao Manampontsy


  • Talata 07 Aogositra 2018

Betsaka loatra ny fakana vola tsy mazava ataon’ny delegem-panjakana sy ny dokoteram-biby amin’ny mpiompy omby ary tsy hanomezana taratasy famarinanam-bola (quittance ), hoy ny fitarainan’ny vahoaka any Tanambao Manampontsy.

 

Lafo loatra ny vidin’ny bokin’omby satria  vidina 20 000Ar ary tsy zakan’ny vahoaka ny fitakiana vola 50 000Ar isaky ny misy omby iray  maty. Natao fitadiavam-bola ny vaksiny satria lavo be ny sarany izay matetika loatra ny fanaovana azy ary lasa mahafaty ny ombinay maro dia maro ary hanananay porofo izany, hoy ny fitarainan’ny tantsaha tarihin’ny solontenany Razafitsalama Adrien. Tsy misy ny fampiofanana sy fampahafantarana ny lalàna mikasika ny fiompiana omby ataon’ny tompon’andraikitra fa avy hatrany dia saziana madoa volabe izay manao fahadisoana, hoy ny fanambarana nosoniavin’ny vahoaka maro be. Tsy ny resaka omby ihany fa amin’ny fanamboarana kara-panondro, dia takiana vola 3000Ar-15 000Ar ny olona. Misy ny kara-panondro tsy misy laharana nefa ny delege eo ambany fiahiany no nanao azy. Itakiana 6.000Ar ny fametahana laharan-kara-panondro. Mahazo kiana foana ny lehiben’ny distrika  mitondra ny anarana Herilaza Jeannoni satria ny Ben’ny tanàna maro iray antoko aminy ao anatin’ny HVM aza efa nandefa taratasy tany amin’ny filoha nasionaly fa manaratsy endrika ny antoko  izy noho ireo fitakiam-bola samihafa, ary voalaza fa maro ny fitantanana tsy mangarahara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT