Sosialy

Manam-pahaizana momba ny fambolena Tokony omena sehatra ivelarany


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Raha atao hoe manodidina ny 3000 isa ireo manam-pahaizana momban’ny fambolena eto Madagasikara, hoy ny mpandinika, Julien Radanoara,

 

 dia azon’ny fitondram-panjakana atao tsara ny manome sehatra azy ireo ao anatin’izao zava-misy izao. Raha atao fotsiny hoe omena tany mirefy 1ha avy ireo ka vinavinaina ho mamoka-bary 6 taonina farafahakeliny isanisany ny tany omena azy dia efa misy 18 000 taonina farafahakeliny tombony amin’ny voka-bary hatramin’izay azo antoka izany ho an’ny firenena. Raha ny tarehimarika fantatra farany dia manodidina ny 8.000.000 ha eo no fitambaran’ny velarantany azo ambolena eto Madagasikara saingy manodidina ny 14%n’izay ihany anefa hatreto no mbola voavoly sy voazary. Izany hoe mbola manana velaran-tany midadasika azo ambolena, araka izany isika ka antony ilazana fa azo araraotina omena sehatra tanteraka ireo manam-pahaizana sy mpisehatra amin’ny fambolena ao anatin’izao fikatonan’ny seranana izao sy ho fiomanana sahady ny fihatrehana ny krizy ekonomika sy sosialy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT