Sosialy

Manakara Olona 54 voapoizina ara-tsakafo


  • Talata 15 Oktobra 2019

Olona manodidina ny 54 no mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Manakara amin’izao fotoana izao, noho ny fanampoizinana ara-tsakafo nohanin’izy ireo.

 

 

Voalaza fa namonjy lanonana tao amina finakaviana iray tany an-toerana, ireto olona ireto, ny sabotsy teo. Mety sakafo avy amin’ny menaka no namparary azy ireo na koa avy amin’ny “mayonnaise”  natao tamin’ny sakafo fanokafam-bavony, hoy ny fanazavana azo. Vehivavy avokoa ny ankamaroan’ireo narary, izay nitaraina ho narary kibo sy nivalana ary narary an-doha. Voalaza fa taorin’ny sakafo nohanin’izy ireo, dia nitovy ny fisehoan’ny aretina. Ka avy hatrany dia nentina namonjy toeram-pitsaboana izy ireo. Ny iray tamin’ireo mbola tsy mahatsiaro tena hatramin’ny omaly. Efa tsy atahorana kosa ny fahasalaman’ny sasany amin’izy ireo, ka aorian’ny fanaraha-maso  ny fahasalamany dia alefa mody avokoa izy ireo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy  tamin’ity           fanampoizinana ara-tsakafo ity, hoy  ny vaovao avy any an-toerana.

Sitraka r.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT