Sosialy

Manakambahiny Tratra ambodiomby ilay mpamaky trano


  • Talata 10 Martsa 2020

Lehilahy iray no tra-tehaky ny polisin’ny boriborintany faharoa namaky trano tetsy Manakambahiny ny alahady teo tamin’ny 10 ora maraina.

 

Nahazo antso tamin'ny finday ny polisy fa misy olona miisa 3 mamaky trano ao amina tokantrano iray etsy Ambanidia. Tsy niandry ela fa 10 minitra taorian'io antso io dia tonga teny an-toerana ny polisy avy ao amin'ny boriborintany faharoa. Vokany,  tratra ambodiomby ny lehilahy iray,  21 taona raha efa tsy hita kosa ny namany miisa  roa. Mbola tratra teny amin'ity jiolahy ity ny finday miisa roa  sy solosaina entin-tanana iray nangalariny. Marihina fa teo am-pivoahana ny trano no tra-tehaka ity jiolahy ity raha efa lasa kosa ny namany. Raha ny fantatra dia gourmettes volafotsy miisa 2 sy peratra volamena iray  ary tablette iray  no lasan'ireo jiolahy roa lahy tafaporitsaka. Mitohy ny fanadihadiana.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT