Sosialy

Manakaiky ny 5000 Ar ny Euro iray Hiandry fipoahana ara-tsosialy vao ho taitra ?


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Misanda 4825 Ar ny iray euro ny faran’ny herinandro teo, izay efa manakaiky ny 5000 Ar.

 

 


 
Miakatra tanteraka ny vidim-piainana, saingy tsy manana vahaolana mafonja sy maharitra ny fitondram-panjakana. Efa 700 Ar ny kapoakan’ny vary makaolika, tafiakatra 550 Ar ny vidin’ny atody amin’izao fotoana izao,… “Tsy marina ny filazana fa nidangana ny vidim-piainana satria eo amin’ny 6% eo ihany izy io”, hoy ny Governoran’ny Banky Foibe Atoa Henri Rabarojohn ny 04 novambra lasa teo, ka nambara fa “ezahina ny hahavoatana an’izany hatramin’ny faran’ity taona 2020 ity”. Tsy nihetsika firy izy io, hoy izy, indrindra raha mitaha amin’ny hetsiky ny fiakatry ny vidim-piainana tamin’ny vanim-potoana toa izao tamin’ny taona 2019, izay 4, 2%. Nitotongana 12% ny Ariary mitaha amin’ny Euro, ary 8, 3% izany raha mitaha amin’ny dolara. Mbola nitotongana lavitra noho ny antsika koa ny atsy amin’ny Nosy Maorisy sy Nosy Seychelles, hoy ny Banky Foibe. Raha raisina amin’io, dia toa te hitany ny Fitondrana, fa tsy mafy noho ny mahazo ny firenen-kafa izany ny mahazo an’I Madagasikara? Toa hamaivanin’ny Mpitondra ny zava-misy, kanefa tsy hitovy velively amin’ny fahafaingan’ny fitomboan’ny harin-karen’ireny firenena ireny velively ny eto Madagasikara. Raha mijery ny paikadin’ny Maorisianina, ohatra, dia tsy ampandoavina hetra ny ankamaroan’ny orinasa hatramin’ny faran’ny taona mba ahafahany miarin-doha, fa tsy mba misy tahaka izany eto Madagasikara. Ny any Ghana tsy ampandoavina vidina harinaratra ny mpanjifa hatramin’ny faran’ny taona. Ny eto Madagasikara kosa vahoaka bokan-trosa, vahoaka sahirana sy mahantra,… kanefa isika nambara fa hanavotra an’i Afrika sy izao tontolo izao. Ny fampanantenana sy ny ronono an-tavy no betsaka, fa ny vokatra tsy tena hita mipaka amin’ny vahoaka. Tsy any amin’ny zavatra maika no laharam-pahemehana, fa any amin’ny kisehoseho sy ny rendrarendra indraindray. Mbola ny kajy politika amin’ny fifidianana aloha no maika kokoa amin’iza. Vao manomboka ny vanim-potoana maitso ahitra, dia efa izao no zava-misy. Sanatria hiandry fipoahana ara-tsosialy vao hikorontana ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT