Nidina ifotony nanao ny adidiny ihany koa omaly ny avy ao amin'ny Mouvement
des Citoyens contre l’inflation (MCI) ho tohin’ny fanaraha-maso ny vidin’entana tanterahin’ny Ministeran’ny Varotra sy ny indostria nanomboka ny 01 desambra lasa teo. Teny amin'ny Tsenan'i Mahamasina no nisantaran’ny MCI izany nahitana ireo solontena isam-paritra izay notarihin’ny filoha nasionaliny. Tsapa nandritra izany fa mbola miakatra hatrany ny vidin'ireo akora tena ilain'ny mponina amin'ny fiainana andavanandro. Lohalaharana amin'izany kapoakam-bary izay efa mahatratra 720 ny iray kapoaka. Tafakatra 600, 650 eny 700 Ar ihany koa aza ny iray amin’ny atody izay mampitaraina ny mpanjifa tokoa ny fiakaran’ny vidiny rehefa fety tahaka izao. Efa ho 6000 Ar kosa ny iray litatra amin’ny menaka eny an-tsena ho an’Antananarivo raha toa ka 5000 Ar izany tamin’ny fiandohan’ny volana desambra. Nanambara araka izany ny filoha nasionalin'ny MCI, Razafindralambo Lalaina, fa "tsy voafehy ny fiakaran’ny vidin'entana nandritra ny fetin’ny Noely araka fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana.Porofo tsy azo lavina sy hita maso hoy izy ny fiakaran’ny vidim-bary sy ny atody. Somary napetram-panontaniana mikasika ny asa nataon’ny Ministeran’ny varotra sy ny indostria tamin’ilay “opération vidin’entana” araka izany ny mpiazo ny zon’ny mpanjifa MCI, indrindra fa mikasika ny vidim-bary.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.