Sosialy

MAMPIKONY Azo sambo-belona ilay voay nihinan’olona


  • Alakamisy 23 Febroary 2023

Voay iray fantatra fa namono olona tao amin’ny ranon’i Mampikony tamin’ny herinandro teo no azo sambo-belona tany an-toerana omaly.

Raha tsiahivina kely ny tantara dia vehivavy iray nanjono teo amin’io renirano io no notsofain’ny voay ny tongony ary nosintoniny tampoka ka tsy nisy hita intsony ny vatany andro vitsy lasa izay. Ilay renirano efa nivadika ho mena toy ny ra no nanaitra ny mponina raha tsy teo intsony ihany koa io vehivavy io . Voatery nanafatra mponina avy any Antanandava ‚ toerana izay misy mpivarotra mena-boay ‚ ary manana traikefa amin’ny fisamborana voay araka izany ny fianakavian’io vehivavy io sy ny mponina ka izao nahitam-bokany izao. Raha araka ny fantatra moa dia hatao amin’ny fanaovana azy ity voay ity mba tsy hiverenan’ny tranga tahaka izao intsony.
Nangonin’i Pati
Legende : Hanaovana fombafomba ity voay tratra ity mba tsy hisy ain’olona hanaraka intsony
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT