Mampijaly ny sosialy ao Toamasina

Vidiana 2000 Ariary ny rano


  • Zoma 19 Jolay 2024

Niara-tapaka tamin’ny famatsiana herinaratra ny famatsian-dranon’ny orinasa Jiro sy rano malagasy na JIRAMA,

izay lasa fahatapahan’ny herinaratra na hoe fahatapahan-jiro sy rano faobe any Toamasina, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Efa nanomboka feno filaharana teny amin'ny toby fividianan-drano "Ranontsika" manerana an'ny Toamasina. 2000 Ariary no vidin'ny rano iray zerikanina na «bidon jaune», hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Efa tanteraka ao Toamasina, araka izany, ny hoe lasa filàna fototra na PPN mila vidiam-bola ary vidiana lafo mihitsy ankehitriny ny rano. 20.000 Ariary no vidin’ny 10 zerikanina. Ferana ve izany ny fidiovana na fandroana ao an-tokantrano? Mazava ho azy aloha izany fa tsy maintsy voatery ihany koa ny hitsitsy rano faran’izay zokiny ireo mponina satria raha 250.000 Ariary ny karama farany ambany voafaritry ny lalàna dia mila mandany rano firy litatra isam-bolana izany raha te ho velona araka ny tokony ho izy? Mampametra-panontaniana ankehitriny ny toe-draharaha sa iniana ilay fanapahana mba hampandehanana ity bizin’ny kaominina, mba tsy hilazàna hoe bizim-panjakàna vaovao ity? Efa voalaza ho mitotongana ny fanabeazana, mitotongana ny toekarena, mitotongana ny fandriampahalemana, ankehitriny izany tsy vitan’ny hoe mitotongana fotsiny intsony fa tena efa mampijaly mihitsy ny lafiny ara-tsosialy.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT