Sosialy

Mampihinana ny maloto Tovolahy 3 tratra nanarato teo Anosy


  • Alakamisy 07 Aprily 2022

Tovolahy kely miisa 3 no tratra nanarato tondro maloto tetsy amin'ny farihin'Anosy ny 03 Aprily lasa teo. Vao omaly Alarobia ihany koa dia tovolahy iray no mbola tratra nanao izany izay marihina fa ten mampihina-maloto olona.

 Raha tsiahivina mantsy dia rano maloto avy ao amin'ny hopitaly Hjra no mivarina ao amin'ny farihin'Anosy. Toraka izany koa ireo toeram-pivoahana sy rano maloto avy amin'ny tokantrano manodidina ankoatra ny maloto hataon'ny sasany. Efa nosamborina moa izy 4 mirahalahy ireto. Miantso ny mponina eny amin'ny manodidina mba hampandre azy araka izany ny polisy monisipaly raha vantany vao mahita mpaka trondro na mpanarato eny amin'iny faritra iny. Ny laharam-pinday 0344210533 na ny 0344967256 no hahazoana azy. Marihina moa fa mankarary ary mety hitera-doza ho an'ny fahasalamana mihitsy ny fihinana trondro maloto raha araka ny fanazavan'ny mpitsabo.
Pati
Legende : Santionany amin'ireo tovolahikely !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT