Tena marobe ireo olona manararaotra izao hamehana ara-pahasalamana eto amin’ny firenena izao.
Lohalaharana amin’ireny ny mpivarotra izay mahavita mampiaka-bidy avo roa heny ny entana hamidiny eny an-tsena mihitsy ny sasany. Misy amin’izy ireny no manana vidin’entana karazany roa ka rehefa tsy misy tompon’andraikitra sy mpanara-maso ahiana handalo dia hatao amin’ilay tena midangana izany. Rehefa amin’ny fotoana mety hisian’ny fidinana ifotony kosa dia mandeha amin’ny vidiny ara-dalàna izany, toy ny hita eny amin’ny kaominina Andranonahoatra distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Raha vantany vao mandalo mantsy ny Ben’ny tanàna Rasamson Haja dia midina ny vidin’entana saingy rehefa dify kosa izy dia miaritra izay misy eo ny vahoaka. Na izany aza anefa dia nomarihiny fa voafehy hatrany amin’ny 80 %-n’ny vidin’entana ao amin’ny kaominina iadidiany. Nomarihiny manokana moa fa tsy mandray olona mihitsy hatreto ny kaominina. Efa misy kosa ny lamina napetraka raha sanatria misy olona mamoy ny ainy na manana olana eny anivon’ny Fokontany. Tsy eny Andranonahoatra ihany no nandrenesana tranga tahaka izao fa amina tsena maro ; efa mailo ireo mpivarotra ary mifampandre raha vao miala any ny mpanara-maso avy amin’ny kaominina na ny ministeran’ny varotra.Matetika mora fantatra izy ireo satria misy soratra ny fiara entiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.