Sosialy

Mampiaka-peo ny RNDC « Mila araha-maso ny mpamongady sy mpanafatra entana ! »


  • Alatsinainy 09 Septambra 2019

Efa nihaona tamin’ny minisitry ny varotra tamin’ny alalan’ny ANMCC izahay, hoy ny filohan’ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa na RNDC, Lita Rabetsara na Ralita,

 

 satria misy fepetra ilaina hiarahana amin’ireo mpamokatra sy mpanondrana vokatra indostrialy avy eto an-toerana. Nandeha ny adihevitra mikasika ny hetra fanampiny ho an’ireo vokatra miditra eto mba hamelomana ireo asa eto an-toerana. Ny olana dia tokony hanao fanaraha-maso ireny mpamongady sy mpanafatra entana ireny ny minisitera tompon’andraikitra, hoy izy. Ny zava-manahirana eto Madagasikara dia vao misy tsaho mandeha dia efa mampiakatra vidin’entana daholo ny olona. Fanararaotan’ireo mpanafatra entana hanafenana entana izao satria tafiditra ao anatin’io resaka « taxe additionnel» io. Raha atobaka eto ny mpanafatra entana ka tsy velomina ny orinasa malagasy dia ho aiza daholo izany ireo mpianatry ny oniversite ? Mila mametraka fanontaniana ny fitondram-panjakana hoe mahazaka ny filan’ny mpanjifa malagasy ve ny fahafaha-mamokatra eto sa tsia ahafahana mijery ny tena tokony ho fipetrak’io resaka « taxe additionel » io, hoy hatrany izy.

J. Mirija 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT