Sosialy

Mampatsiahy indray ny CNaPS Omena telo volana ny mpampiasa hanao fampilazana


  • Talata 14 Mey 2019

Didian’ny lalàna ny mpampiasa hanoratra CNaPS ny mpiasa noraisiny hiasa ara-dalàna.

 

 

Ny tsy fahafantarana ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsosialy no mahatonga ny taha ambanin’ny mpiasa misitraka izany eto Madagasikara. Eo koa ny mpampiasa minia mandika io lalàna io ka tsy manatanteraka ny andraikiny amin’ny mpiasa. 363 531 ireo mpiasa voasoratra anarana ao amin’ny CNaPS ary 338 203 no mandoa latsakemboka amin’ny seha-pihariana ankapobeny raha toa ka 25 328 kosa no mandoa latsakemboka sy mpikambana avy amin’ny seha-pambolena. Tsy mbola manara-penitra ny fepetran’ny asa eto Madagasikara. Raha ny tatitry ny Birao iraisam-pirenen’ny asa na ny BIT dia 6% amin’ny asa eto ihany no voasokajy ho asa mendrika sy mahavelona. « 15% latsaka ny olona misitraka fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Misokatra ny CNaPS, izay efa manao ezaka be tokoa hatramin’izay. Porofon’izany ny fahazoan’ny CNaPS ny “Certificat d’Excellence 2018”momba ny fahaiza-mitantana ny “bonne gouvernance” avy amin’ny vondrona iraisam-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny AISS izay ahitana firenena 186”, hoy Rakotondradano Hanitry Ny Aina, mpandrindra tetikasa eo anivon’ny CNaPS foibe. Ny 7-9 mey teo, dia nikarakara fampiofanana ny “Service d’Actions Sanitaires et Sociales” na ny (SASS) eo anivon’ny CNaPS ho an’ny mpitantana orinasa, ny mpiasa, ny sekoly, ny mpitondra fivavahana, ny mpiandraikitra sy mpiasa mbola ECD avy amin’ny kaominina, ny Faritra, ary ny mpianatry ny anjerimanontolo tany Toamasina. Nahatratra 122 ny mpandray anjara avy amina orinasa sy sehatra samihafa.

 

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT