Sosialy

Mampatahotra ny antontan’isa Tafiakatra 7,2% ny vary, 8,9% ny PPN, 9,2% ny fanafody


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Tafiakatra hatrany amin’ny 6,3% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana na ny « Taux d’inflation » ho an’ny volana septambra 2021, araka ny antontan’isa vao navoakan’ny Ivon-toerana nasionaly momba ny antontan’isa na INSTAT

 (Institut National de la Statistique). Miha manaka-danitra ny vidin-javatra rehetra amin’ny ankapobeny. Ho an’ny entana ilaina amin’ny andavanandro na ny PPN (Produits de Première Nécessité) dia nahatratra 8,9% izany. Ho an’ny vary manokana dia nahatratra 7,2% ny fisondrotana hita. 8% kosa ho an’ny zava-pisotro tsy misy alikaola, raha toa ka tafiakatra hatrany amin’ny 9,2% kosa ny lafiny ara-pahasalamana. Efa 9% ity farany tamin’ny volana martsa 2021 lasa teo, fotoana azo lazaina fa mbola niainantsika tao anatin’ny valanaretina coronavirus, saingy mbola tsy nidina hatramin’izao, fa manao lanja miakatra hatrany, raha zohiana amin’io antontan’isa io. Asa inona loatra no antony ? Mitombina ve ny fisiana bizina fanafody amina orinasa goavana satria misy tompon’andraikitra ambony amin’ny lafiny fahasalamana manomboka voatonontonona amin’izany? Ny azo hamehezana azy, tsy voafehy ny fidangan’ny vidim-piainana eto amintsika. Tany amin’ny janoary-martsa 2021, dia efa manodidina ny 1,8% isam-bolana io fisondrotry ny vidim-piainana io, raha ny tatitra tamin’ny volana martsa 2021. Mbola sahin’ny mpitondra ny manao kabary politika miaro fampiesonana manara-penitra fa hivaha ao anatin’ny 3 andro ny olana kanefa izao ny zava-misy. Raha tsy mampanantena poak’aty dia mitady hanilihana, toy ny fitanisana ny saran’ny fitaterana niakatra 1000% kanefa dia mbola sahy mirehareha fa fampandrosoana ny fanafarana na fatratra aza ny fitanisana ny olana aminy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT