Sosialy

Mampaneno lakolosy i Rossy "Tsy faly ny eny ambany tanàna"


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Tsy faly ny eny ambany tanàna, misy alahelo. Alahelo tsy hambara havana zakan’ny tompony ihany, hoy ny Depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy tao amina onjam-peo iray omaly.

 Ireo olona nitolona nametraka ny depiote, ben’ny tanàna, ny Filoha Rajoelina dia manana alahelo. Teny ambany tanàna dia avy amin’ny Bemoranga sy ny fanaovana asa soa no nahalany ahy, fa teo ihany koa ny TGV, izay nodimandry ny Filohan’ny TGV tao amin’ny Boriborintany faha-4. Novoriana ny mpikambana ary ity depiote ity no lehiben’ny TGV. Nampanantenaina handray andraikitra ny “base” saingy tsy mba antsoina fa ireo fikambanana kely vao niforona taty aoriana no mahazo vahana. Ny tsy namono ny voay indray no miravaka ny vanginy. Ato an-trano misy mpanolontsain’ny Filoha na akaikin’ny Filoha, samy manana fikambanana izy ao an-dapa ao, ary ireny no asisiny avy eo. Tsy olona zazakely aty aoriana no halatsaka eny, dia lasa sefonay. Ny antony nitolomanay dia haka fahefana handaminana ny tanàna, ary efa hatrany amin’ny 2009 ny tolona, hoy i Rossy. Aoka izay ilay misavisavika fa tsy leran’ny fampisehoana intsony izao, ary ny fikambanana tsy tokony hanao politika. Ho mafimafy ny hitazona ilay firaisan-kiana tamin’ny fandresana. Raha ny fototra na ny “base” no efa tsy manohana anao, dia ho sarotra, hoy i Rossy. Esoriko ao anatin’izao resaka izao ny Filoha sy ny ben’ny tanàna nametraka ny ekipany, ary izahay izany satria izahay no nametraka. Ireo manodidina ny Filoha no andefasako hafatra manokana, ary izao tsy hanonona anaran’olona sy fikambanana. Dingan’ireo sasantsasany mahafantatra olona ireo aho. Henoy ny “base” fa tsy faly, hataovy izay hitadiavana asa ho an’ireo ankizy ireo. Ny “base”-nareo mba jereo fa sorena, ary tsy eto Antananarivo ihany io fa manerana ny Nosy. Tezitra ny “base” amin’izao na aiza na aiza, ary hanahirana io raha tsy halamina, hoy ity depiote ity. Mazava io fa misy lonilony izany eo amin’ny samy olon’ny fitondrana, herintaona aty aorian'ny naha filoha an'i Andry Rajoelina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT