Sosialy

Mamo sy miboridana imasom-bahoaka Voararan’ny lalàna ary mety mampigadra


  • Alarobia 20 Martsa 2019

Mihamaro hatrany ireo olona misotro toaka ankehitriny. Tsy hanavahana intsony ity tranga ity na lahy na vavy fa saika lasa fialam-bolin’ny rehetra mihitsy. Manampy trotraka izany rahateo ny fisiana toeram-pivarotan-toaka isaky ny 150 metatra raha kely, indrindra any amin’ny faritra iva.

 

 

  Tsy mahafehy tena intsony ny ankamaroan’ny olona vokatr’izany. Misy ireo misotro toaka dia mila kisa ary miady amin’ny mpiara-monina aminy na mandripaka ireo vady aman-janany rehefa mahazoazo kely. Misy ihany koa anefa ireo tsy lasa lavitra fa eny amin’ny arabe, an-dalana mody ihany dia efa manao ny hataony ka midaroka tampoka ary mety handratra olona mihitsy. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina kaomisera iray dia tena voararan’ny làlana ny fimamoana imasom-bahoaka tahaka izany. Vao mainka henjana ny sazy  mihatra amin’ireny karazan’olona ireny raha ny nambarany raha toa ka midaroka olona tampoka eny an-dalana ka manosika ity farany hitsoaka hiampita arabe  ka mety hahavoadonan’ny fiara azy….Ankoatra ny hamamoana dia notsindriany ihany koa fa misy  ireo lasa miboridana imasom-bahoaka amin’izao izay voararan’ny lalàna ihany koa. Anisan’ireny ireo lehilahy mitondra môtô mandehandeha eny amin’ny arabe.Nomarihiny moa fa samy mety mampigadra sy handoavana lamandy avokoa ireo tranga ireo, ankoatra ireo marary saina izay tsy azo hatao na inona na inona.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT