Sosialy

Mamely ny aretin-kibo sy ny kohoka Mitombo ireo olona manatona dokotera


  • Alakamisy 31 Oktobra 2019

Mahazo vahana eto amintsika ny aretin’ny fandevonan-kanina toy ny aretin-kibo sy ny vavony tato anatin’ny tapa-bolana

 

 

 

 

izao. Toraka izany koa ny aretin’ny taovam-pisefoana izay mahazo ny sokajin’olona rehetra. Betsaka ny olona voany raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo iray izay vokatry ny loto sy hafanana eto an-drenivohitra ankehitriny. Raha enina isan’andro ireo marary noraisiny teo aloha dia tafakatra sivy izany. Ho an’ny aretin-kibo dia nomarihiny manokana fa vokatry ny fisotroana rano maloto noho ny hafanana be loatra no antony. Toraka izany koa ny composé, ovy endasina, nem…. indrindra fa ireo nampiasana menaka efa notehirizina elabe sy ny maionezy atodim-borona. Mila mitandrina ny tsirairay, hoy hatrany izy. Ho an’ny sery sy kohoka ary ny gripa manokana moa dia nomarihiny fa vokatry ny rivotra maloto no mahatonga azy ireny ka mety sy tsara ny manalavitra ireo toerana feno fako miparitaka sy misy fofona maimbo, indrindra ho an’ny ankizy madinika.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT