Sosialy

Mama françoise mpitaiza kamboty eny Ankadilalana Nindaosin’ny fahafatesana, namela kamboty marobe


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Nindaosin’ny fahafatesana koa i Mama Françoise ilay renim-pianakaviana be fitiavana mpanao asa soa mitsinjo ireo mahantra sy kamboty eny Ankadilalana sy Mahamasina.

 

 

Ny fiandohan’ny volana jolay  lasa teo nandritra  ny fametrahana fehezam-boninkazo  teo amin'ny vavahadin'ny kianjan'i Mahamasina no nahitan’ny ankamaroan’ny olona azy farany, fandraisana anjara mavitrika nataony ho fahatsiarovana an'ireo namoy ny ainy vokatry ny fifanosehana hijery fampisehoana ny harivan'ny 26 jona lasa teo...Tompon-kevitra tamin'io fametrahana voninkazo io ny tarika Rossy sy ny SYKA (Sendikan'ny Artista) raha tsiahivina  notronin’ny tale jeneralin’ny OMDA. Nentin'i  Mama  Françoise teny an-toerana  nandrehitra jiro sy nitondra fehezam-boninkazo tamin’izany ireo zaza kamboty tezainy ao Ankadilalana, izay marihina fa kamboty tanteraka ankehitriny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT