Sosialy

Malaimbandy Disadisam-pianakaviana nafara tamin’ny vono olona


  • Zoma 14 Aogositra 2020

Nisy vono olona nitranga tany amin'ny fokontany Tsinjorano kaominina ambanivohitra Malaimbandy,

 

 

Faritra Menabe, ny 09 aogositra lasa teo. Lehilahy 30 taona no notifirina tamin’ny basim-borona ka maty tsy tra-drano. Rehefa nanao ny fikarohana ny zandary tany an-toerana dia tratra ilay namono olona niaraka tamin'ny basy izay nampiasainy. Ny famotorana natao no nahafantarana fa ady eo amin'ny fianakaviana roa tonta no fototry ny olana. Naka dahalo valo lahy ny fati-dran'ilay maty noho izany ka naka an-keriny olona roa izay fianakavian'ilay namono ny alin'ny 11 hifoha 12 aogositra teo. Rehefa nanao vela-pandrika anefa ny zandary tao Malaimbandy dia tratra ny olona 02 naniraka hanao io fakana an-keriny io ny andron'ny12 aogositra ary voatery naniraka ny namany hamotsotra ireo takalon'aina roa. Voasambotra ihany koa ny tompon'ilay basy izay nampindraminy hanaovana io vono olona io. Efa voasambotra avokoa ireo voakasika noho izany.

Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT