Sosialy

MALAGASY Tsy misakafo ara-dalàna intsony noho ny hasarotan’ny fiainana


  • Sabotsy 02 Martsa 2019

Tsy misakafo ara-dalàna intsony ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny.

 

 

 Raha araka ny fanadihadiana natao teny rehetra teny mantsy dia misy ireo tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro intsony dia ny hariva izany. Noho ny hasarotan’ny fiainana miampy ny rotoroto isan’andro no antony ka na mihinana aza dia ilay mijorojoro eny amoron-dalana amin’ny sarany 1.000 Ar raha lafo indrindra. Zary tsy mihinana sakafo maraina intsony araka izany ny ankamaroan’ny Malagasy nefa io sakafo hanina vao mivoha io no fantatra fa miantoka ny hery entina mandritra ny tontolo andro. Ho an’ny antoandro indray dia ny aretim-bavony no tena atahorana mafy raha tsy mihinana lava,  hoy ny mpitsabo. Mety hiafara amin’ny fidirana hopitaly mihitsy ilay aretina rehefa tena lasa lavitra. Tsiahivina anefa fa miasa mafy avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy. Miala vao maraina ary tsy miditra raha tsy alina, miampy fandehanana tongotra. Manginy fotsiny ny orana amin’ny hariva sy ny fanenjehana taksibe.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT