Hanomboka sy hametraka ny fampodiana ireo Malagasy any ivelany, fa tsy maintsy hisy ny fepetra: fanaovana fitiliana 3 andro mialohan’ny hiaingana, hatao fitiliana PCR rehefa tonga eny Ivato,
hapetraka amina toerana mitokana mandritra ny 3 na 4 andro mandra-pivalin’ny fitiliana. Raha “negatif” dia afaka mody avy hatrany. Ny sabotsy 15 aogositra dia afaka hiala avy any Frantsa ao amin’ny seranam-piaramanidina Charles de Gaulle ny avy any Eoropa, ary ny 22 aogositra ny andiany faharoa. Tokony manantona na miantso ny masoivohontsika ny any Eoropa ireo handeha, raha ny fanazavan’ny Filoham-pirenena. Ho an’izay tavela tany Inde toy ireo nitsabo tena kosa dia ny 19 aogositra no ho avy ny Air Madagascar,… Ny olona maniry hivoaka any ivelany, hitsangatsangana na hanao fizahantany, dia mbola tsy manokatra ny sisin-tany isika. Homena alalana handray ny zotram-piaramanidina makany ivelany ny mpianatra, fa tsy maintsy mampiseho ny taratasy manamarina izany. Manantona ny Air Madagascar, ka amin’ny 21 aogositra izao dia hisy ny sidina ho any Eoropa. Misy ihany koa ireo mpianatra any amin’ny Faritra homena alalana manokana hiakatra eto an-dRenivohitra ahafahany mikarakara ny taratasy makany ivelany.
NOSY BE
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.