Sosialy

Malagasy taraiky any arabie saoudite Higadona an-tanindrazana amin’ny 01 desambra


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Amin’ny fiandohan’ny volana desambra ho avy izao no higadona eto an-

 

 

tanindrazana ny fiaramanidina hitondra ireo tera-tany Malagasy tavela any Arabie Saoudite. Ny Ministeran’ny raharaham-bahiny amin’ny alalan’ny Fitondram-panjakana sy ny sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny mpitsoa-ponenana na ny OIM (Organisation Internationale pour les migrations) no mikarakara izany ka ao amin’ny masoivohontsika ao Riyad no hahafahana mandray ny anaran’ireo maniry ny hody eto an-tanindrazana. Ho an’ny Fitondram-panjakana manokana dia fantatra fa ireo tena sahirana toy ireo tera-tany Malagasy tsy manana taratasy ary migadra, ireo tratry ny famarinan’olona, ireo niharan’ny fampijaliana nataon’ny mpampiasa azy, indrindra fa ireo vehivavy…. no hojerena manokana amin’izany. Misy amin’izy ireo mantsy no efa mipetraka amina toerana fandraisam-bahiny any an-toerana amin’izao. Tsy misy vola aloha moa amin’izany ary efa eo am-piketrehana ny hahafahana manatanteraka izany araka ny tokony ho izy ny masoivohontsika ao Riyad sy ny ministeran’ny raharaham-bahiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT