Sosialy

Malagasy sahirana isan’andro Mora marary, tsy misakafo araka ny tokony ho izy


  • Alakamisy 13 Jolay 2023

Rehefa voky dia izay no zava-dehibe ho an’ny isan-tokantrano noho ny fahasahiranana lavareny hiainan’ny tsirairay.

Tsy ilay kibo mahare feno anefa no tena manan-danja raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo Rija Mandimbison eo anivon’ny tobim-pitsaboana Ainasoa fa ilay kalitaon’ny sakafo hohanina. Tafiditra ao anatin’izany ireo mampiakatra ny hery fiarovana sy mampisy otrik’aina toy ny sakafo misy vitamina, kalsioma, potasioma, fer ary zinc. Tsy latsa-danja amin’ireo ireo karazan-tsakafo telo ahitana ny lipida, gliosida ary ny proteina. Ny tena mampalahelo anefa hoy hatrany ny fanazavana azo dia isika Malagasy no tena malaza mpihinana sakafo tsy miovaova indrindra. Rehefa vary sy laoka dia vary sy laoka ary mitovy hatrany ny fomba fiketrehana azy hany ka mora marary ny rehetra. Tsy ampy mihitsy ny hery fiarovana ka mirongatra sy mahazo vahana ny sery, ny gripa mahery, ny tazo….Tsiahivina moa ho azy ireo manokana fa mbola mitohy ilay fizarana Calvit maimaim-poana ho an’ireo olona tonga mitsabo tena ao aminy. Hifarana amin’ny faran’ity volana ity izany, manana tanjona hanampy tosika ny sakafo hohanin’ny tsirairay mba hitondra hery sy tanjaka ho azy izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT