Sosialy

Malagasy nody an-tanindrazana 7 tamin’ireo 800 tonga no voan’ny Coronavirus


  • Alakamisy 03 Septambra 2020

Na dia efa manao fitiliana aza ireo tera-tany Malagasy tavela tany ivelany tonga mamonjy fodiana eto an-tanindrazana dia mbola misy ihany ireo fantatra fa mitondra ny tsimok’aretina Covid 19.

 

 

 

Miisa 7 tamin’ireo 800 tonga no fantatra fa lasibatr’izany tsimok’aretina izany taorian’ny fihibohana nampanaovina azy sy ny fanamafisana tamin’ny alalan’ny fitiliana. Izany indrindra no antony nanaovan’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny fanaraha-maso akaiky azy ireo miaraka amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Efa nasaina nitsabo tena nanatona ireo ivon-toerana tokony hikarakara azy moa izy 7 ireo raha ny fantatra. Na izany aza dia mitohy hatrany ny fampodiana ireo teratany Malagasy tavela any ivelany. Tsy maintsy manao fitiliana hatrany anefa izy ireny mialohan’ny hiaingany any amin’ilay toerana nahatavela azy izay izy tenany ihany no miantoka ny saran’ izany. Sidina avy any Frantsa indray no andrasana ho avy eto amintsika ny 06 septambra ho avy izao.

Nangonin’i Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT