Sosialy

Malagasy niasa tany Koweit Mitondra takaitra avokoa ireo tafody


  • Talata 27 Febroary 2018

Mitondra takaitra avokoa ny ankamaroan’ireo vehivavy teratany Malagasy niasa tany Koweit tonga velona eto an-tanindrazana. Ankoatra ireo efa nijoro vavolombelona marobe dia vehivavy Malagasy miisa 70 indray no nampodiana an-tanindrazana ny 22 febroary lasa teo.

 
Raha araka ny fanazavan’ny iray amin’izy ireny dia tena mijaly tokoa ireo vehivavy Malagasy tonga mila ravinahitra any Koweit, indrindra fa ireo miasa an-trano. Ankoatra ny hamafisan’ny asa izay tsy hatoriana andro aman’alina dia fantatra ihany koa fa tsy mihinan-kanina ara-dalàna ny ankamaroan’izy ireny sady voadaroka. Tsy vitsy ireo manana olana amin’ny sainy vokatr’izany, antony nanosika ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy nitsena azy 70 mirahavavy ireto teny Ivato ny herinandro teo. Natoby amina toerana iray eto an-drenivohitra izy ireo taorian’izay mba hotohanana ara-môraly. Tsiahivina moa fa 600.000 Ar ny karaman’ny mpiasa vavy iray any Koweit amin’izao fotoana, antony mampirongatra azy ireo handeha hila ravinahitra any amin’ity firenena arabo iray ity. Na izany aza anefa dia betsaka ireo zavatra tokony hofehezin’ireo mpiasa malagasy maniry ny hiasa any an-toerana toy ny tenim-pirenena vahiny, ny fianarana ny kolontsain’izy ireo izay tena mifanipaka tanteraka amin’ny kolontsaintsika. Nambaran-dRandriamanantsoa Tabera, minisitry ny asa teo aloha fa ny vahaolana dia ny fanafoanana ny agence de placement ary hatsangana ny kaompania lehibe iray hifanaovan’ireo tompon’andraikitra any amin’ny firenena Arabo sonia sy ireo tompon’andraikitra Malagasy. Tsy hisy intsony aorian’izay ny mpiasa Malagasy hiondrana an-tsokosoko any amin’ireo firenena arabo ireo fa tsy maintsy mandalo ao amin’ilay kaompania izay manaiky ny handoa ny karaman’ireo mpiasa halefa any ivelany ihany koa sady handray an-tanana ny fikarakarana raha toa ka misy ny olana mitranga.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT