Sosialy

Malagasy mitrongy vao homana 2.000 Ar no iaretana adin’ny folo


  • Sabotsy 02 Febroary 2019

Anisan’ny asa tena kely karama indrindra ny varotra anana nefa tena be mpanao tokoa. Lohalaharana amin’izany ireo ray aman-dreny efa misotro ronono tsy mahatakatra ny maka anana amin’ny sobika na amin’ny gony fa tsy maintsy miantoka.

 

 Tsy betsaka anefa ny vola hampiasainy fa 6.000 Ar monja miaraka amin’ny voatabia sy ny tongolo. Tsy maintsy asiana vadiny ny anana hamidy, hoy i Bebe Rasoa etsy Ampasika fa tsy mahavelona raha anana fotsiny. 1.500 Ar na 2.000 Ar isan’andro ny vola entiny mody hamelomany ireo ankohonany nefa tonga eny an-tsena  manomboka amin’ny 7 ora maraina ary tsy miala raha tsy amin’ny 6 na amin’ny 7 ora hariva. Amin’ny 5 ora maraina ihany koa anefa dia efa tsy maintsy manenjika tompon’anana eny an-tsaha. Nomarihin’i Bebe Rasoa fa  tsy misy mpividy ny anana indraindray ka tsy maintsy andrasana  harivariva. Somary nihalafo ihany koa izy tato ho ato ka aleon’ny olona mividy voamaina  sy ovy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT