Sosialy

Malagasy dontom-pahantrana sy horohoro Tsy afa-misaina ny raharaham-pirenena


  • Alakamisy 12 Jolay 2018

Voakorontana sy tratry ny fampihorohoroana ara-batana, ara-tsaina, ary ara-panahy ny Malagasy.

Tsy milamina ny tany na an-drenivohitra na any ambanivohitra ary tsy mirindra intsony ny fiarahamonina fa  samy miaro ny rambony tsy ho tapaka. Ahitana izao zavatra tsy fampiseho masoandro rehetra izao, toy ny vaky fasana, halatra taova, halatra lakolosy, fanimbazimbana fiangonana, izay nahazo vahana indray tato ho ato, toy ny tany Moramanga tamin’ny herinandro ambony teo. Tsy tongatonga ho azy fa iniana atao hanakorontanana saim-bahoaka ? Mirongatra ny fakana an-keriny, tsy ny teratany vahiny ihany fa hatramin’ny Malagasy no efa lasibatra. Nalaza ny tany Malaimbady ny andron’ny 7 jolay teo, nakana an-keriny ny mpampianatra iray niaraka tamin’ny zanany, saingy navotsotra  ity farany, ary notazonina kosa izy izay nambara fa tsy havotsotra ary hovonoina raha tsy mahazo 4 tapitrisa ariary ireo olon-dratsy. Toa vitavita ho azy ireny rehetra ireny, toy ny halatra omby sy ny “kidnapping”, izay tsy ahitam-bahaolana fa samy manavotra ny tenany raha jerena amin’ny fakana an-keriny ny karana. Efa rano fisotro ny horohoro sy fahasahiranana, ka tsy manana fifantohana amina raharaham-pirenena intsony ny Malagasy. Rehefa hanongana mpitondra na hiatrika fifidianana no tena ilaina. Tsy mba misy ny fanaraha-maso ny fahatanterahan’ny fanamby nataon’ireo mpitondra nofidiana.

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT