Sosialy

Malagasy ao La Réunion Hajao ny zon’ny Malagasy tompon-tany


  • Talata 22 Oktobra 2019

Miitatra hatrany ampitan-dranomasina ny raharaha Ambohitrimanjakana amin’izao.

 

 

 Miray feo sy tsy mankasitraka ny amboletra hanesorana ny olona amin’ny taniny ihany koa ny teratany Malagasy atsy amin’ny Nosy La Réunion. « Atsaharo tsy misy hatak'andro ny fanotofana tany ! Atsaharo ny asa fanombohana sy ny fananganana ny Tana-masoandro eo Ambohitrimajaka ! Atsaharo ny fandatsahan-dra ny vahoaka sy ny fampiharana ny herisetra ! Aza esorina amin'ny tanindrazany ny mponina ao Ambohitrimanjaka. Aza atao sesitany ny mpiray Tanindrazana satria tsy nisy heloka vitany. Midadasika i Madagasikara ka maro ny toeran-kafa tsy misy mponina, azo hanorenana Tana-masoandro », hoy ny fanehoan-kevitr’izy ireo nandritra ny fihaonana fanohanana ny tolon'ny Vahoakan'Ambohitrimanjaka, notontosaina ny alahady 20 oktobra 2019 teo. Manomboka malaza eo amin’ny vaovao iraisam-pirenena ihany koa io raharaha io ankehitriny ary manara-maso akaiky ny mpiaro ny zon’olombelona eo anatrehan’ny mety ho fanaovana an-terisetra manohintohina ny zo maha olona.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT