Sosialy

Malagasy 26 nihazo an’i Kaomoro Nogadraina ary nogiazana ny antontan-taratasiny


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Tsy hanaiky lembenana fa hitory ny fianakavian’izy 26 mianaka kely, teratany Malagasy nihazo ny Nosy Kaomoro andro maromaro lasa izay raha nandeha sambo niala tao Mahajanga.

 

 

 

 Vao tonga tany izy ireo dia nogiazana avokoa ny antontan-taratasy, nasaina nandoa vola, ary napetraka tamina trano iray ka nogadraina nandritra ny valo andro. Tsy mahazo mivoaka izy ireo raha tsy hanao maloto nefa zaza amam-behivavy avokoa ny ankamaroany. Raha araka ny fanazavan’ny fianakavian’izy ireo hatrany anefa dia ara-dalàna avokoa ny antontan-taratasiny toy ny VISA, ny pasipaoro…. Efa naverina nody aty Madagasikara moa izy 26 mianaka ireto raha ny vaovao farany. Miantso ny hisian’ny fifampiresahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy fanjakana Kaomoriana ny fianakavian’ireto olona nanana olana ireto.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT