Sosialy

Maka Alphonse - Filohan’ny CFM “Tena misy ny olona matin’ny kere”


  • Alarobia 06 Janoary 2021

“Mahatratra 39˚C hatrany amin’ny 40˚C ny hafanana, ary eo ihany koa ny tsiomena

 

 

na rivotra mifofo tsy hifankahitana any Atsimo. Mitohy sy miha mahazo ny kere. Tsy manan-kohanina ny olona, ny biby fiompy atao vary boba ka raha mivarotra omby vositra iray dia zara raha mahazo”, hoy ny Filohan’ny CFM na ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy Atoa Maka Alphonse omaly. Nanambara moa io rafitra io, fa mijery sy manao fanadihadiana ny zava-misy any Atsimo. “Misy ny tonga any Menabe, Faritra Mahajanga, Diego. Misy ny tsy manam-bola intsony ka mandeha tongotra miaraka amin’ny fianakaviana, fa ao ihany koa ny maty an-dàlana, fa tsy mbola anananay ny antontan’isa feno. Efa voa mafy izy avy any, ka vao mahazo hanina kely dia vao mainka mitera-doza”, hoy hatrany Atoa Maka Alphonse.. Nanao antso avo amin’ny hanampiana ho an’ireo izay afaka manao izany tsy ankanavaka moa ny CFM eo anatrehan’ny zava-miseho any Atsimo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT