Efa mba nihatsara kely ny zavamisy any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny noho ny rotsakorana kely nisy tao Amboasary sy Ambovombe izay tena nahavonjy ny mponina any an-toerana tokoa
hoy ny filohan’ny filankevitra Malagasy (CFM) Maka Alphonse izay nahazo vaovao avy any an-toerana.Mbola tsy resy anefa ary mamely ny tsy fanjariantsakafo na ny Kere hoy izy ; raha ny fanisana farany dia manodidina ny 600 000 ny olona tratry ny tsy fanjariantsakafo maranitra any atsimo.Raha ny tatitra nataon’ny filohan’ny CFM dia vao nisy olona 6 namoy ny ainy noho ny kere tao Ifotaka tamina fokontany iray antsoina hoe Babaria ka ny 1 lehilahy lehibe ary ny 5 kosa ankizy.Tena mampalahelo hoy i Maka Alphonse fa misy manararaotra ny kere ka misy manodinkodina ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana.Nisy fiara be iray izao nitondra menaka sy vary saika atao aferafera no tratra ao Amboasary atsimo raha ny fitantaran’ny filohan’ny CFM, ary Ao Tsivory sy Amboasary dia betsaka ny fitarainana voaray fa dia hoe amidy eny an-tsena ireo entana fanampiana tokony ho zaraina maimaimpoana.Nisintona lakolosy ny filohan’ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy fa tokony hafainganina ny fanatanterahana ireo tetikasa hiadiana amin’ny kere mba tsy ho lasa fasan’ny Tetikasa fotsiny araka ny fomba fiteny hatrizay ny any Atsimo.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.