Sosialy

Maitre FRAM Amboasary Sud Lasa mivaro-drano hividanan-kanina


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Misedra ny mafy ireo mpampianatra FRAM ao amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Amboasary Atsimo.

 

 

 

An-jatony  izy ireo no tsy nomena tambinkarama efa mananika ny 12 volana izao, araka ny fitarainan’izy ireo. 110.000 Ariary isan’olona isam-bolana, izany hoe antsasaky ny karama farany ambany eto Madagasikara araka ny noferan’ny fanjakana, ary raisina isan-droa volana io tambinkarama io. Ny volana jolay sy aogositra 2019 no noraisin’izy ireo farany. Tsy hita hantenaina nefa koa tsy very hafoy ny tambinkarama, izahay anefa terena amin’ny asa fampianarana, hiatrehana ny fanadinam-panjakana, ampanaovina « jury », hamitana ny taom-pianarana, hoy ny tarainan’ireo mpampianatra FRAM. Mampiana-janaka sy manofa trano anefa izy ireo. Voatery manao vadin’asa mivaro-drano amin’ny « bidon jaune », misy miasa mitrandraka « mica » na manjarano aman’olona ireo mpampianatra FRAM any Amboasary Atsimo mpampianatra FRAM mba hahazoana vola kely hihinanan-kanina. Ny « Vatsy Tsinjo » moa tsy tonga any, ka anaovan’izy ireo antso avo amin’ny mpitondra fanjakana hamaha ny olana, ny fanadinam-panjakana rahateo efa ho avy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT