Sosialy

Maître Feno eny Itaosy «Mbola mitsabo sy mamaha olan’ny olona aho »


  • Zoma 21 Febroary 2020

Niniana naely tany anaty tambajotran-tserasera rehetra tany ny vaovao tsy marim-pototra nilaza fa efa tsy eto Madagasikara intsony fa lasa nifindra fonenana any ivelany Randimbiarimanana Feno na i Maître Feno

 

 

  mpitsabo nentim-paharazana Malagasy sady mpamaha ny olana rehetra mianjady amin’ny olona. « Ambarako etoana anefa fa mpandraharaha mivezivezy any ampitan-dranomasina aho  fa etsy an-kilany ny asa fitsaboana sy fanasoavana olona fanaoko koa dia tsy  ataoko ambanin-javatra velively. Mandraka ankehitriny dia mbola mandray olona izay manatona ahy aho ary mitsabo an’izay mila izany. Porofon’izany dia vao tsy ela akory no nisy zaza 8 taona nositraniko araka izao fitantaran’ny ray aman-dreniny tonga eto ka hitanareo izao », hoy ny lehilahy. Izaho Gaston sy Rtoa Mirana vadiko dia olona avy any Fianarantsoa ary manan-janaka lahy atao hoe Njaka izay nilaza ho nianjera raha avy namonjy fahoriana nihatra tao amin’ny fianakaviana tany an-toerana  izahay mianakavy. Nentina namonjy dokotera haingana i Njaka nefa dia tsy nahitam-panafana mihitsy na dia natao aza ny ala nenina rehetra ka dia tapa-kevitra ny hitondra azy hiakatra aty Antananarivo toerana fiavianay izy. Zaza efa tena nalemy tanteraka toy ireny efa maty napetraka ireny no nentinay notsaboina teto amin’i Maître  Feno, araka ny toromarika avy amin’ny fianakaviana nanontaniana an’ireo mpitsabo nentim-pahazazana mivoaka an-gazety ireny.  3 andro monja no nitsaboan’ity mpitsabo ity azy niainga tamin’ny vavaka natao sy fampandroana azy tamin’ny rano mazika avy any Nazareth sy ny emboka avy any Vatican ary fampisotroana azy ranom-panafody manokana vokarin’i Maître Feno dia niverina tanteraka ny heriny ary efa salama tsara tsy marofy intsony izy izao ».

Ntsoavina  Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT