Sosialy

Mahitsy sy Mahamasina Nahatrarana entana efa simba maro teny an-tsena


  • Alakamisy 27 Oktobra 2022

Nitety ireo mpivarotra mpamongady sy mpaninjara ny entana ilaina amin’ny andavanandro tamin’ny toerana maro ny ekipan’ny Ministeran’ny varotra eto Analamanga omaly.

Nampahatsiahivina ireo mpivarotra ny tokony hanajany ny lalàna mifehy ny varotra. Hitohy amin’ny « Andro iray hanentanana sy hanabeazana ny daholobe » misehatra amin’ny raharam-barotra any amin’ny kaominina Mahitsy ny hetsika ato ho ato. Ny tsenan’i Soamanatombo sy Mahamasina eto an-drenivohitra kosa no notsirihan’ny mpanara-maso tamin’ny alatsinainy 24 oktobra lasa teo. Nahatrarana ronono mandry amin’ny boaty efa simba mantsy teny an-toerana ka nampahafantarina ireo mpivarotra ny fepetra tokony horaisiny. Natao sava hao ireo entana hafa sasany noho izany ka nasaina nalan’ireo mpivarotra avokoa ireo entana hita fa simba. Ankoatra ny ronono moa dia anisan’ny tena atahoran’ny olona amin’izao ireo karazana ody ambavafo ho an’ny mpianatra efa lany daty toy ny bisikoitra sy ny sokola.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT