Mahita faisana hatrany ny Malagasy

Ny sakafo mampidi-doza miparitaka,


  • Alakamisy 19 Jona 2025

ny politika ara-pahasalamana tsy mamely

Nisesy tato anatin’ny andro vitsy ny resaka fahafatesan’olona sy tsy fahasalamana vokatry ny sakafo misy poizina. Tafakatra 22 izany ny namoy ny ainy, raha atambatra ny tranga teto Antananarivo izay voalaza fa fanapoizinana niniana natao, miampy ny tany Mahajanga nisian’ireo olona 3 mianaka maty vokatry ny fihinana vokatra « charcuterie ». Ny tany Toamasina olona 6 be izao no naiditra hopitaly haingana vokatry ny fihinanana godrodro au chocolat,… Dia io ihany koa fa misy resaka lafarinina voalaza fa efa simba nogiazan’ny Fanjakana kanefa misy mamoaka ? Orinasan-tserasera akaiky ny fitondrana no namoaka an’io omaly. Misy ny voalaza fa famosaviana ankitsirano, fa eo ihany koa ny tranga samihafa maneho tafahoatra ny gaboraraka, betsaka ny vokatra sy entana indrindra fa ny fihinana izay tsy voaara-maso ka mampihinana ny tsy fihinana ny Malagasy, miteraka famoizana ain’olona. Tsy misy na tsy mahomby ny fanaraha-maso, ka zary efa misy zava-doza vao hanaovana serasera samihafa fa efa mandray andraikitra. Mitombo ny zavatra mampidi-doza, kanefa ny fahefan’ny Malagasy hitsabo tena tena midina be. Ny politika ara-pitsaboana tsy mahomby, hany ka tsizarizary ny fahasalaman’ny Malagasy, izay tsy manam-bola dia ny vintana sy ny anjara sisa anankinana azy. Io izao ny zava-mitranga mikasika ny fitsaboana ireo olona voapoizina izay zava-dehibe ny fanehoan’ny Fanjakana fa mandray an-tanana maimaimpoana, saingy betsaka ihany koa ny fitarainana mikasika ny fikarakarana tsizarizary, fahatarana,… Ny mpitondra Malagasy milaza fa mijery ny fahasalamana, mirehareha amin’ny hopitaly lazainy fa manara-penitra natsangany aza tsy mitsabo tena amin’ireny rehefa marary, tsy matoky ny rafi-pitsaboana eto an-toerana fa mitsoaka any ivelany amin’ny alalan’ny EVASAN. Mizaka ny mangidy sy mafaitra ny Malagasy, ka izay tsy matin’ny fahapoizinana ara-tsakafo matin’ny tsy fananam-bola hahafahana mitsabo tena, matin’ny tsy fandriamapahalemana, matin’ny fahantrana, matin’ny vidim-piainana,… izay isan’ny fototra sy fositra voalohany ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Inona no zavatra mba tena mandeha eto?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT