Nampita hafatra manokana ho an’ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra
ny mpanao politika sy mpamakafaka raharaham-pirenena, Mahery Lanto Manandafy. Tiako ny manamarika, hoy izy, fa tena mankafy Barea loatra ny tenako. Nitondra avo ny fanevam-pirenena tsy toy ny hita taloha ianareo. Nampiray ny firenena tamin’ny alalan’ny baolina kitra koa ary tena isaorako anareo izany. Raha mikirakira aterineto anefa ianareo dia mahita fa I Madagasikara irery ankehitriny no firenena voakasiky ny tsy fahampiana na tsy fanjarian-tsakafo. Am-polony isan’andro no matin’ny hanohanana any atsimo. Manodidina ny 90.000 ka hatramin’ny 150.000 isa ireo miatrika izany zava-misy izany. Nisy ihany ny fepetra noraisina sy napetrak’ireo rafitry ny firenena mikambana sy fikambanana samihafa saingy mahagaga hoe tsy nisy vanona izany tamin’ity taona ity. Tsy manana tetibola hiatrehana ny zava-misy ireo rafitra heverina ho tokony hisahana izany eto amin’ny firenena toy ny BNGRC. Maha valalanina noho izany ny maheno hoe tsy afaka mamatsy na tsy mety hamatsy solika ho an’ireo kamiao ny governemanta. Misy laharam-pahamehana mihoatra ny ain’ireo Malagasy ory any ambany ravinkazo any izany. Isany ianareo. Tsy hisarika anareo hanao politika aho na hampiato ny lalaonareo satria havendranana avy aty amiko izany. Misarika ny sainareo fotsiny aho ry zalahy, hoy hatrany ny tenany, mba hanisy maso sy hanome teny kely ho an’ireo havantsika ireo. Hijery anareo ny firenena amin’ny lalaonareo ka mino aho fa hamonjy aina maro ny fanatanterahanareo izany fihetsika izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.