Sosialy

Mahery Lanto Manandafy “Mizotra any amin’ny fipoahana ara-tsosialy izao’’


  • Alakamisy 04 Jona 2020

Tsy maintsy ahodina ny toekarena raha tsy tiana ho faty ny Malagasy, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Mahery Lanto Manandafy.

Tsy maintsy hidirana ny fialana amin’ny fihibohana fa ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana no mila atao matotra kokoa. Anelanelan’ny fantsika sy maritoa isika, hoy izy. Asio fanetren-tena fa tsy hirehareha amin’ny afrika hoe sangany kanefa ny firenena entinao aza faha 4 amin’ny mahantra. Tsy andron’ny propagandy intsony izao fa ny aretina no iadiana. Nikabary izao ny filoham-pirenena farany teo dia mbola nilaozany nanenjika an-dRavalomanana. Fa maninona no atao adina “maternelle” toy izany foana? Mizotra any amin’ny fipoahana ara-tsosialy izao, hoy izy, ka miantso ny filoham-pirenena aho fa raha fanetren-tena no andrasan’ny vahoaka aminy kanefa mbola fieboeboana no ataony dia hipoaka io. Ilay stratejian-tseraseran’ny fitondrana sy ny fandaniam-bola no hitako tena nipetrahan’ny olana hatreto, hoy izy. Mifanandrify amin’ny fangatahan’ny vahoaka ve ny fanapahan-kevitra ? Fanontaniana no apetrako io, hoy hatrany i Mahery Lanto Manandafy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT