Sosialy

Mahazoarivo Olona roa maty tototry ny tany


  • Alakamisy 07 Novambra 2019

Olona roa izay voalaza fa mpianaka ( dadabe sy zafikely) no maty tototry ny tany omaly maraina tokony ho tamin’ny 09 ora teny Mahazoarivo.

 

 

 

 

 

Raha araka ny loharanom-baovao dia mpiasa tsotra mpanamboatra trano izy mianaka ireo. Nianjera tampoka anefa ilay tany be mitatao eo ambonin’ny toerana hananganan’izy ireo trano ka nanototra azy. Efa  minitra maro sempotry ny tany izy mianaka vao nifampitadiavana saingy indrisy efa tsy nisy fofon’aina intsony. Nantsoina avy hatrany ny sampana mpamonjy voina naka azy ireo tao anaty tany nandritra izany, ka tamin’ny 10 ora sy 40 minitra maraina no hita ny razana iray raha toa ka tamin’ny 1 ora sy sasany atoandro no hita ny razana faharoa. Ankoatra azy mianaka ireto moa dia mpiasa iray ihany koa no voalaza  fa  naratra mafy ka voatery naiditra hopitaly.   Olana goavana anefa ny fiara nitondrana ity farany tany amin’ny hopitaly. Tsiahivina moa fa ilana fahamailoana hatrany ny manangana fotodrafitrasa amina toerana misy tany mandindona tahaka itony.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT