Sosialy

Mahavoky - Besarety Tapaka iray andro tontolo ny rano, nijaly ny mponina


  • Zoma 19 Jolay 2019

Nanomboka ny alarobia tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ka hatramin’ny omaly alakamisy dia tapaka tanteraka ny rano teny amin’ny fokontany Mahavoky rehetra iny.

 

 

 

Nimenomenona tamin’ny tsy fisian’ny rano ny mponina nipetraka tamin’io fokontany io. Tsy nisy nanampo ny rehetra, fa re teny rehetra teny ny hatezerana sy ny fahasosorana. Voatery nividy rano “eau vive” ny olona sasany nandrahoana sakafo sy nisasana. Ny tsy nanana nentina nividianana kosa dia voatery nitady rano vao mangiran-dratsy ny alakamisy omaly ihany. Teny Andravoahangy, Masikara ary Manjakaray no toerana nakana rano. 50 ariary ny iray siao, raha 100 ariary ny bidao iray. Nilahatra vao maraina ny mponina naka rano tamin’ireo faritra ireo. Ho an’ireo mpivarotra kafe sy mofo dia nanakatona ny tsenany  izy ireo, noho ny tsy fisian’ny rano. Ny mpivarotra hani-masaka dia nampiasa rano fa nantsaka maraina. Saika nandeha avokoa ny “eau vive” tamin’ireo épicerie nanaovana ny fanadihadiana, taorian’ny tsy fisian’ny rano. Manao antso avo amin’ny jirama noho izany ny mponina eny Mahavoky mba hijery akaiky izao olan’ny tsy fisian-drano izao, fa mahatsiaro tena sahirana izy ireo.

Sitraka r.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT